Zechariah 14:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho tonga tahaka ny tany ngazana ny tany rehetra hatrany Geba ka hatrany Rimona ao atsimon’i Jerosalema. Fa i Jerosalema kosa dia hasandratra sy hijanona eo amin’ny toerany ihany, hatramin’ny vavahadin’i Benjamina ka hatramin’ny vavahady voalohany, hatramin’ny vavahady an-jorony ary hatramin’ny tilikambo fiambenana Hananela ka hatramin’ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hovana ho tany lemaka ny tany rehetra, hatrany Bagaà ka hatrany Remôna, eo atsimon’i Jerosalema. Ary hasandratra sy hipetraka amin’ny toerany i Jerosalema, dia hatreo amin’ny vavahadin’i Benjamina ka hatreo amin’ny fitoeran’ny vavahadin’ny Zoro, ary hatreo amin’ny tilikambo Hananeely ka hatrany amin’ny famiazam-boaloboky ny mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hovana lemaka ny faritra manontolo manodidina an’i Jerosalema, manomboka any Gebà any avaratra ka hatrany Rimôna any atsimo. I Jerosalema dia hisandratra ambonin’ireo tany manodidina azy; ary ny tanàna dia hitatra manomboka eo amin’ny vavahadin’i Benjamîna ka hatramin’ny vavahadin-joro, dia eo amin’ny toeran’ny vavahady tranainy, ary koa manomboka eo amin’ny tilikambon’i Hananehela ka hatramin’ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
Ho tonga tahaka ny tani-hay ny tany rehetra hatrany Geba ka hatrany Rimona ao atsimon'i Jerosalema; ary hasandratra sy honenana ao amin'ny fitoerany izy hatramin'ny vavahadin'i Benjamina ka hatreo amin'ny vavahady voalohany, hatramin'ny vavahady an-jorony, ary hatramin'ny tilikambo Hananela ka hatramin'ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho tonga tahaka ny tany ngazana ny tany rehetra hatrany Geba ka hatrany Rimona ao atsimon’i Jerosalema. Fa i Jerosalema kosa dia hasandratra sy hijanona eo amin’ny toerany ihany, hatramin’ny vavahadin’i Benjamina ka hatramin’ny vavahady voalohany, hatramin’ny vavahady an-jorony ary hatramin’ny tilikambo fiambenana Hananela ka hatramin’ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka.
malagasy
Ho tonga tahaka ny tani-hay ny tany rehetra hatrany Geba ka hatrany Rimona ao atsimon'i Jerosalema; ary hasandratra sy honenana ao amin'ny fitoerany izy hatramin'ny vavahadin'i Benjamina ka hatreo amin'ny vavahady voalohany, hatramin'ny vavahady an-jorony, ary hatramin'ny tilikambo Hananela ka hatramin'ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka. [heb. Arabà]