Zechariah 14:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny areti-mandringana dia hamely koa ny soavaly, ny ampondra, ny rameva ary ny boriky mbamin’ny biby fiompy rehetra izay ao amin’ireny toby ireny; izany areti-mandringana izany dia ho tahaka ilay iray koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny fery hamely ny soavaly, ny mole, ny rameva, ny ampondra, mbamin’ny biby rehetra amin’ireny toby ireny, ho sahala amin’io fery io ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hisy aretim-be toy izany koa hamely ny biby rehetra ao an-tobim-pahavalo, dia ny soavaly sy ny ampondra ary ny rameva sy ny boriky mbamin’ny biby fiompy hafa rehetra ao.
Malagasy Bible 1865
Ary ho toy izany koa ny areti-mandringana hamely ny soavaly sy ny ampondra sy ny rameva sy ny boriky mbamin'ny biby fiompy rehetra izay ao amin'ireny toby ireny, eny, ho tahaka izany areti-mandringana izany ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny areti-mandringana dia hamely koa ny soavaly, ny ampondra, ny rameva ary ny boriky mbamin’ny biby fiompy rehetra izay ao amin’ireny toby ireny; izany areti-mandringana izany dia ho tahaka ilay iray koa.
malagasy