Zechariah 14:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary na iza na iza amin’ny firenena samihafa amin’ny tany no tsy hiakatra ho any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan’ny Mpanjaka, dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia tsy hisy ranonorana mirotsaka aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay fianakaviana tsy mba hiakatra any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan’ny Mpanjaka, Iavehn’ny tafika, dia tsy mba hilatsahan’ny orana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha misy firenena amin’ny tany tsy mety hiakatra any Jerosalema mba hiankohoka eo anatrehan’ilay Mpanjaka, izany hoe ny Tompon’izao rehetra izao, dia tsy mba hisy orana hilatsaka eo amin’ny taniny.
Malagasy Bible 1865
Ary na iza na iza amin'ny firenena samy hafa amin'ny tany no tsy hiakatra ho any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, dia tsy mba hisy ranonorana mivatravatra any aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary na iza na iza amin’ny firenena samihafa amin’ny tany no tsy hiakatra ho any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan’ny Mpanjaka, dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia tsy hisy ranonorana mirotsaka aminy.
malagasy