Zechariah 14:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha ny firenen’i Ejipta no tsy mba miakatra ka tsy tonga dia tsy hisy ranonorana hirotsaka aminy koa, sady ho tonga aminy ny areti-mandringana izay hamelezan’NY TOMPO ny firenena tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana amin’ny trano rantsan-kazo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha ny fianakavian’i Ejipta no tsy miakatra sy tsy tonga, dia tsy hilatsahan’ny ranonorana koa izy, sady hasian’ny fery hamelezan’i Iaveh an’izay tsy miakatra hankalaza ny fetin’ny Tabernakla.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary raha ny firenen’i Ejipta kosa no tsy tonga miakatra ao Jerosalema mba hankalaza ny fetin’ny Tranotomboka, dia tsy hisy koa ranonorana hilatsaka any aminy sady hanjo azy ny areti-mandoza izay namelezan’ny Tompo ireo firenena izay tsy niakatra nankalaza io fety io.
Malagasy Bible 1865
Ary raha ny firenen'i Egypta tsy mba miakatra ka tsy tonga, dia tsy hisy koa any aminy, sady ho tonga ny areti-mandringana izay hamelezan'i Jehovah ny firenena tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha ny firenen’i Ejipta no tsy mba miakatra ka tsy tonga dia tsy hisy ranonorana hirotsaka aminy koa, sady ho tonga aminy ny areti-mandringana izay hamelezan’NY TOMPO ny firenena tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana amin’ny trano rantsan-kazo.
malagasy