Zechariah 14:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hangoniko ny Jentilisa rehetra hamely an’i Jerosalema, dia ho azony ny tanàna ka horobaina ny trano ary hisy hanolana ny vehivavy; ny antsasaky ny tanàna dia ho lasan-ko babo, fa ny vahoaka sisa dia tsy hofongorana amin’ny tanàna.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hangoniko eo anoloan’i Jerosalema ny firenena rehetra hiady, ary ny tanàna, ho afaka; ny trano horobaina, ny vehivavy hanaovana an-keriny; ary ny antsasaky ny tanàna ho lasan-ko babo; fa ny vahoaka sisa kosa, tsy hofongorana eo an-tanàna akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hangonin’ny Tompo ny firenen-drehetra hamely an’i Jerosalema; dia azon’ireo ny tanàna, ka horobainy ny trano ary hanaovany an-keriny ny vehivavy; ny antsasaky ny mponina dia ho lasan-ko babo fa ny vahoaka sisa kosa ho afa-mijanona ao an-tanàna.
Malagasy Bible 1865
Ary hangoniko ny jentilisa rehetra hamely an'i Jerosalema, dia ho afaka ny tanàna, ka horobaina ny trano, ary hosavihina ny vehivavy; ary ny an-tsasaky ny tanàna dia ho lasan-ko babo, fa ny vahoaka sisa tsy dia hofongorana avokoa amin'ny tanàna.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hangoniko ny Jentilisa* rehetra hamely an’i Jerosalema, dia ho azony ny tanàna ka horobaina ny trano ary hisy hanolana ny vehivavy; ny antsasaky ny tanàna dia ho lasan-ko babo, fa ny vahoaka sisa dia tsy hofongorana amin’ny tanàna.
malagasy
Ary hangoniko ny jentilisa rehetra hamely an'i Jerosalema, dia ho afaka ny tanàna, ka horobaina ny trano, ary hosavihina ny vehivavy; ary ny an-tsasaky ny tanàna dia ho lasan-ko babo, fa ny vahoaka sisa tsy dia hofongorana avokoa amin'ny tanàna.