Zechariah 14:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany dia hosoratana eo amin’ny lakolosy kely amin’ny soavaly hoe: «NOHAMASININA HO AN’NY TOMPO». Ary ny vilany ao amin’ny tranon’NY TOMPO dia ho tahaka ny lovia famafazana eo anoloan’ny alitara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany, ny korintsandrintsan-tsoavaly, dia hisy hoe: Fahamasinana ho an’i Iaveh; ary ny vilany ao an-tranon’i Iaveh, ho toy ny kapoaka eo anoloan’ny ôtely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany andro izany, na dia ny lakolosin-tsoavaly aza dia hisy soratra hoe: «Voatokana ho an’ny Tompo». Ny vilany tsotra ao amin’ny tempoly dia hoheverina ho masina tahaka ny tsatokaty famafazana izay eo anoloan’ny alitara.
Malagasy Bible 1865
Amin'izany andro izany dia hisy ao amin'ny famohamandrin-tsoavaly manao hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH; ary ny vilany ao an-tranon'i Jehovah ho tahaka ny lovia famafazana eo- anoloan'ny alitara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany dia hosoratana eo amin’ny lakolosy kely amin’ny soavaly hoe: «NOHAMASININA HO AN’NY TOMPO». Ary ny vilany ao amin’ny tranon’NY TOMPO dia ho tahaka ny lovia famafazana eo anoloan’ny alitara.
malagasy
Amin'izany andro izany dia hisy ao amin'ny famohamandrin-tsoavaly manao hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH; ary ny vilany ao an-tranon'i Jehovah ho tahaka ny lovia famafazana eo- anoloan'ny alitara.Eny, ny vilany rehetra any Jerosalema sy Joda dia hohamasinina ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro; ary izay rehetra mamono zavatra hatao fanatitra dia ho avy haka amin'ireny ka hahandro aminy. Ary amin'izany andro izany dia tsy hisy Kananita intsony ao an-tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro. [na: mpandranto]