Zechariah 14:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, ny vilany rehetra any Jerosalema sy i Joda dia hohamasinina ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ary izay rehetra mamono zavatra hatao fanatitra dia ho avy haka amin’ireny ka hahandro izany. Amin’izany andro izany dia tsy hisy mpivarotra intsony ao amin’ny tranon’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny vilany rehetra ao Jerosalema sy any Jodà koa, dia ho zava-boatokana ho an’i Iavehn’ny tafika avokoa. Ka izay hanao sorona rehetra, dia ho avy haka amin’ireny sy hahandro ny henany ao aminy avokoa; ary tsy hisy Kananeanina intsony, ao an-tranon’i Iavehn’ny tafika, amin’izany andro izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, ny vilany rehetra izay any Jerosalema sy Joda dia ho voatokana ho an’ny Tompon’izao rehetra izao. Ary izay rehetra tonga hanolotra sorona no hampiasa ireny mba hahandroan-kena. Ary amin’izay fotoana izay dia tsy hisy mpivarotra intsony ao an- tranon’ny Tompo n’izao rehetra izao.
Malagasy Bible 1865
Eny, ny vilany rehetra any Jerosalema sy Joda dia hohamasinina ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro; ary izay rehetra mamono zavatra hatao fanatitra dia ho avy haka amin'ireny ka hahandro aminy. Ary amin'izany andro izany dia tsy hisy Kananita intsony ao an-tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, ny vilany rehetra any Jerosalema sy i Joda dia hohamasinina ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ary izay rehetra mamono zavatra hatao fanatitra dia ho avy haka amin’ireny ka hahandro izany. Amin’izany andro izany dia tsy hisy mpivarotra intsony ao amin’ny tranon’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
malagasy
Eny, ny vilany rehetra any Jerosalema sy Joda dia hohamasinina ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro; ary izay rehetra mamono zavatra hatao fanatitra dia ho avy haka amin'ireny ka hahandro aminy. Ary amin'izany andro izany dia tsy hisy Kananita intsony ao an-tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro. [na: mpandranto]