Zechariah 14:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany ny tongony dia hijoro eo amin’ny Tendrombohitra Oliva izay manatrika an’i Jerosalema eo atsinanana; ary ny Tendrombohitra Oliva dia hitresaka eo afovoany, hiantsinanana sy hiankandrefana ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra dia hifindra hianavaratra, fa ny antsasany kosa dia hianatsimo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany, ny tongony hipetraka eo an-tendrombohitry ny Oliva, izay manandrify an’i Jerosalema amin’ny lafiny atsinanana, ka hitresaka eo afovoany miantsinanana sy miankandrefana ny tendrombohitry ny Oliva, ka hisy lohasaha lehibe, fa ny antsasaky ny tendrombohitra hitresaka mianavaratra, ary ny antsasany kosa hianatsimo;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany andro izany Izy dia hitsangana eo amin’ny tendrombohitra Analanôliva izay eo atsinanan’i Jerosalema. Ary hitresaka roa ny tendrombohitra Analanôliva ka hisy lohasaha lehibe iray hiseho eo afovoany, manomboka avy any atsinanana no miankandrefana; ny antsasaky ny tendrombohitra dia hifindra hianavaratra, fa ny antsasany kosa hianatsimo.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'izany andro izany ny tongony hijoro eo an-Tendrombohitra Oliva. izay eo atsinanana tandrifin'i Jerosalema, ary ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany hiatsinanana sy hiankandrefana, ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra hifindra hianavaratra, fa ny an-tsasany kosa hianatsimo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany ny tongony dia hijoro eo amin’ny Tendrombohitra Oliva izay manatrika an’i Jerosalema eo atsinanana; ary ny Tendrombohitra Oliva dia hitresaka eo afovoany, hiantsinanana sy hiankandrefana ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra dia hifindra hianavaratra, fa ny antsasany kosa dia hianatsimo.
malagasy