Zechariah 14:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia handositra hamaky ny lohasahan’ny tendrombohitro ianareo, fa hipaka hatrany Azela izany lohasahan’ny tendrombohitra izany; eny, handositra ianareo, tahaka ny nandosiranareo ny horohoron-tany tamin’ny andron’i Ozia mpanjakan’i Joda. Ary ho avy NY TOMPO Andriamanitro mbamin’ny masina rehetra momba Azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia eo amin’ny lohasahan’ny tendrombohitro, no handosiranareo, fa hipaka hatrany Atsala ny lohasahan’ny tendrombohitro: toy ny nandosiranareo ny horohoron-tany, tamin’ny andron’i Osiasa, mpanjakan’i Jodà, no handosiranareo. Ary ho avy i Iaveh Andriamanitro, ary ny olo-masina rehetra hiaraka aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia io lohasaha nampivaky tendrombohitra io no lalana handosiranareo, satria hipaka hatrany Atsala izany. Eny, handositra ianareo, dia tahaka ny razanareo nandositra ny horohorontany tamin’ny andron’i Hozià mpanjakan’i Joda. Ary ho avy ny Tompo Andriamanitro miaraka amin’ireo anjeliny rehetra.
Malagasy Bible 1865
Dia handositra ho any amin 'ny lohasahan'ny tendrombohitro ianareo, fa hipaka hatrany Azela ny lohasahan'ny tendrombohitra; eny, handositra ianareo tahaka ny nandosiranareo ny horohorontany tamin'ny andron'i Ozia, mpanjakan'ny Joda; ary ho avy Jehovah Andriamanitro mbamin'ny masina rehetra momba Azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia handositra hamaky ny lohasahan’ny tendrombohitro ianareo, fa hipaka hatrany Azela izany lohasahan’ny tendrombohitra izany; eny, handositra ianareo, tahaka ny nandosiranareo ny horohoron-tany tamin’ny andron’i Ozia mpanjakan’i Joda. Ary ho avy NY TOMPO Andriamanitro mbamin’ny masina rehetra momba Azy.
malagasy
Dia handositra ho any amin'ny lohasahan'ny tendrombohitro ianareo, fa hipaka hatrany Azela ny lohasahan'ny tendrombohitra; eny, handositra ianareo tahaka ny nandosiranareo ny horohorontany tamin'ny andron'i Ozia, mpanjakan'ny Joda; ary ho avy Jehovah Andriamanitro mbamin'ny masina rehetra momba Azy. [na: hamaky][heb. Anao]