Zechariah 14:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany dia hisy rano velona hivoaka avy any Jerosalema, koa ny antsasany dia hankany amin’ny ranomasina atsinanana ary ny antsasany dia hankany amin’ny ranomasina andrefana; na amin’ny fahavaratra na amin’ny ririnina dia hisy izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany, dia hisy zavatra toy izao: Hisy rano velona, hivoaka avy ao Jerosalema, ny antsasany hankany amin’ny ranomasina atsinanana, ny antsasany hankany amin’ny ranomasina andrefana; dia ho toy izany na amin’ny fahavaratra na amin’ny ririnina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary amin’izany andro izany dia hisy loharano hifantsitsitra mandavantaona avy ao Jerosalema; ka ny antsasany hivarina any amin’ny Ranomasina Maty ary ny antsasany any amin’ny Ranomasina Mediteranea.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'izany andro izany dia hisy rano velona hivoaka avy any Jerosalema, ka ny antsasany hankany amin'ny ranomasina atsinanana, ary ny antsasany hankany amin'ny ranomasina andrefana, na amin'ny fahavaratra na amin'ny ririnina dia samy hisian'izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany dia hisy rano velona hivoaka avy any Jerosalema, koa ny antsasany dia hankany amin’ny ranomasina atsinanana ary ny antsasany dia hankany amin’ny ranomasina andrefana; na amin’ny fahavaratra na amin’ny ririnina dia hisy izany.
malagasy