Zechariah 2:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa indro, hatsotrako eo ambonin’ireo firenena ny tanako ka ho tonga babon’ireo nanompo azy izy; dia ho fantatrareo fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no naniraka ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa indro Aho manetsika ny tanako eo ambonin’ireny, ka izy ireo ho tonga remby ho an’ireo manompo azy; ary ianareo, hahalala fa i Iavehn’ny tafika no naniraka ahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, haninjirako tanana ireo firenena ireo mba ho lasa babon’ireo nandevoziny.» Amin’izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn’izao rehetra izao no naniraka ahy.
Malagasy Bible 1865
Fa, indro, hahinjitro eo amboniny ny tanako, ka hobaboin'ireo nanompo azy izy; dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy. Mihobia sy mifalia, ry Ziona zanakavavy, fa, indro, avy honina ao afovoanao Aho, hoy Jehovah. Ary firenena maro no hanaiky ho an'i Jehovah amin'izany andro izany ka ho oloko; ary hitoetra ao afovoanao aho, ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy ho aminao. Ary Jehovah hanana an'i Joda ho anjarany ao amin'ny tany masina ary mbola hifidy an'i Jerosalema indray. Mangina eo anatrehan'i Jehovah, ry nofo rehetra! fa nifoha avy ao amin'ny fitoerany masina Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa indro, hatsotrako eo ambonin’ireo firenena ny tanako ka ho tonga babon’ireo nanompo azy izy; dia ho fantatrareo fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no naniraka ahy.
malagasy
Fa, indro, hahinjitro eo amboniny ny tanako, ka hobaboin'ireo nanompo azy izy; dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy.