Zechariah 2:15 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Firenena maro no hanaiky ho an’NY TOMPO amin’izany andro izany. Ho oloko izy, ary hitoetra ao afovoanao Aho; dia ho fantatrao fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no naniraka ahy ho aminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany, maro ny firenena hiraiki-po amin’i Iaveh, ka ho vahoakako izy ireo; ary Izaho honina ao afovoanao, dia ho fantatrao fa i Iavehn’ny tafika no naniraka ahy ho aminao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany andro izany, firenena maro no hiraiki-po amiko ka ho tonga vahoakako; ary honina eo afovoanareo Aho.» Amin’izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn’izao rehetra izao no naniraka ahy ho atỳ aminareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Firenena maro no hanaiky ho an’NY TOMPO amin’izany andro izany. Ho oloko izy, ary hitoetra ao afovoanao Aho; dia ho fantatrao fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no naniraka ahy ho aminao.
malagasy
Ary firenena maro no hanaiky ho an'i Jehovah amin'izany andro izany ka ho oloko; ary hitoetra ao afovoanao aho, ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy ho aminao.