Zechariah 3:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nasehony ahy fa indro, i Josoa mpisoronabe dia nitsangana teo anatrehan’ilay Anjelin’NY TOMPO, ary i Satana nitsangana teo ankavanany hiampanga azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nasehony ahy i Jesosy, mpisorona lehibe, nitsangana teo anatrehan’ilay Anjelin’i Iaveh, ary i Satana nitsangana teo ankavanan’io mba hanohitra azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nasehon’ny TOMPO tamiko i Josoa mpisorombe izay nitsangana teo anatrehan’ny anjeli n’ny TOMPO. Ary nijoro teo ankavanan’i Josoa i Satàna mba hiampanga azy.
Malagasy Bible 1865
Ary dia nasehony ahy fa, indro, Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan'Ilay Anjelin'i Jehovah, ary Satana nitsangana teo an-kavanany hiampanga azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nasehony ahy fa indro, i Josoa mpisoronabe dia nitsangana teo anatrehan’ilay Anjelin’NY TOMPO*, ary i Satana* nitsangana teo ankavanany hiampanga azy.
malagasy
[Fahitana fahefatra: Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan'Ilay Anjelin'i Jehovah] Ary dia nasehony ahy fa, indro, Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan'Ilay Anjelin'i Jehovah, ary Satana nitsangana teo an-kavanany hiampanga azy.