Zechariah 3:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Raha mizotra amin’ny lalako ianao ary mitandrina ny didiko dia ianao no hanam-pahefana amin’ny tranoko sy hitandrina ny kianjako sady homeko lalana malalaka ho eo amin’ireo mijoro ireo ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Raha mizotra amin’ny lalako ianao sy mahatoky ianao amin’ny fanaovana ny raharahako, dia hanapaka ny tranoko koa ianao; sy hiambina ny kianjako, sady havelako malalaka hiditra ho isan’ireto izay mitoetra atỳ.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Raha izoranao ny sori-dàlako, ka tandremanao ny didiko, dia ianao no hiandraikitra ny tranoko sy hitandrina ny kianjan’ny tempoly ary hisy hataoko mpanoro hevitra anao amin’ireto olona mijoro etoana ireto.»
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Raha mizotra amin'ny lalako ianao sy mitandrina ny didiko, dia ianao no hitsara ny amin'ny tranoko sy hitandrina ny kianjako, sady homeko lalana ho amin'ireo mitsangana ireo ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Raha mizotra amin’ny lalako ianao ary mitandrina ny didiko dia ianao no hanam-pahefana amin’ny tranoko sy hitandrina ny kianjako sady homeko lalana malalaka ho eo amin’ireo mijoro ireo ianao.
malagasy