Zechariah 3:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa indro, ny vato izay napetrako teo anoloan’i Josoa: Misy masony fito io vato tokana io. Indro, Izaho no hanoratra izay tokony hosoratina eo, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ary hesoriko amin’ny indray andro monja ny helok’ity tany ity.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa inty ny vato napetrako eo anoloan’i Jesosy; maso fito no amin’izay vato tokana izay; indro Aho efa hisikotra ny hosokirina aminy, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - ary hoesoriko indray andro monja ny helok’ity tany ity!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eo anatrehan’i Josoa no ametrahako vato anankiray, dia vato tokana misy maso fito mamiratra. Indro hasiako soratra eo aminy, ary indray andro monja no hanesorako ny helok’ity tany ity, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.
Malagasy Bible 1865
Fa, indro, ny vato izay napetrako teo anoloan'i Josoa, ny vato iray dia banjinin'ny maso fito; indro, hosoratako ny sorany, hoy Jehovah Tompon'ny maro, ary hesoriko indray andro monja ny helok'ity tany ity.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa indro, ny vato izay napetrako teo anoloan’i Josoa: Misy masony fito io vato tokana io. Indro, Izaho no hanoratra izay tokony hosoratina eo, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ary hesoriko amin’ny indray andro monja ny helok’ity tany ity.
malagasy
Fa, indro, ny vato izay napetrako teo anoloan'i Josoa, ny vato iray dia banjinin'ny maso fito; indro, hosoratako ny sorany, hoy Jehovah Tompon'ny maro, ary hesoriko indray andro monja ny helok'ity tany ity. [Heb. amin'ny vato iray misy maso fito]Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia samy hiantso ny namanareo avy ho eo ambanin'ny voaloboka sy ho eo ambanin'ny aviavy ianareo.