Zechariah 4:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa iza no nanamavo ny andro anaovana asa madinika? Ho faly ny olona mahita ny pilao eny an-tanan’i Zerobabela. Ireo fito ireo dia ny mason’NY TOMPO izay mijery manerana ny tany rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa iza no hanamavo ny andron’ny zava-madinika? Hifaly izy ireo mahita ny pilao eny an-tanan’i Zôrôbabela. Ireo lalampy fito ireo, dia ny mason’i Iaveh mitety ny tany rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fa ireo jiro fito ireo no mason’ny TOMPO izay mahita ny zavatra rehetra ambonin’ny tany. Misy olona manamavo ny andro anaovana asa madinika fanombohana. Kanefa aoka hifaly kosa ireo, raha mahita an’i Zerôbabela mampiasa pilao eny an-tanany.
Malagasy Bible 1865
Fa iza no nanamavo ny andron'ny zava-madinika? Ho faly mahita ny pilao eny an-tànan'i Zerobabela ireo fito ireo, dia ny mason'i Jehovah, izay mijery eny tontolo eny eran'ny tany rehetra
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa iza no nanamavo ny andro anaovana asa madinika? Ho faly ny olona mahita ny pilao eny an-tanan’i Zerobabela. Ireo fito ireo dia ny mason’NY TOMPO izay mijery manerana ny tany rehetra.
malagasy
Fa iza no nanamavo ny andron'ny zava-madinika? Ho faly mahita ny pilao eny an-tànan'i Zerobabela ireo fito ireo, dia ny mason'i Jehovah, izay mijery eny tontolo eny eran'ny tany rehetra