Zechariah 4:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanontany Azy fanindroany aho hoe: Inona moa ireo sampahon’oliva roa eo amin’ny fantsona volamena izay mampijononoka volamena avy ao aminy ireo?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mbola niteny fanindroany koa aho, ka nanao taminy hoe: «Inona ireo sampahon’ôliva roa eo amin’ny lantônoara volamena, ikararànam-bolamena, ireo?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary mbola nanontaniako fanindroany izy hoe: –Inona koa ireo sampan’ôliva roa izay mandraraka diloilo volamena ireo amin’ny alalan’ny fantsona volamena anankiroa?
Malagasy Bible 1865
Ary namaly koa aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo sampahon'oliva roa eo amin'ny fantsona volamena izay mampijononoka ny diloilo volamena avy ao aminy ireo?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanontany Azy fanindroany aho hoe: Inona moa ireo sampahon’oliva roa eo amin’ny fantsona volamena izay mampijononoka volamena avy ao aminy ireo?
malagasy
Ary namaly koa aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo sampahon'oliva roa eo amin'ny fantsona volamena izay mampijononoka ny diloilo volamena avy ao aminy ireo?