Zechariah 4:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy izy tamiko: Inona no hitanao? Ary hoy aho: Hitako fa indro, misy fitoeran-jiro izay volamena izy manontolo, ary ny fitoeran-diloilo eo aminy dia eo amboniny, ary jiro fito no eo an-tampony. Misy fantsona fito avy amin’ny jiro tsirairay izay eo an-tampony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
sy nilazany hoe: «Inona no hitanao?» Ka hoy ny navaliko azy: «Nahita aho ka inty fanaovan-jiro maro rantsana iray, tena volamena izy manontolo misy tavy eo an-tampony, mitondra lalampy fito amam-pantsona fito avy amin’ireo lalampy eo an-tampon’ny fanaovan-jiro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sady nanontany ahy hoe: –Inona no hitanao? Dia hoy aho namaly: –Fitoeran-jiro volamena misy fitahirizan-diloilo eo an-tampony no hitako. Fanaovan-jiro fito no eo amin’izany fitoeran-jiro izany; ary lahin-jiro fito kosa no eo amin’ny fanaovan-jiro tsirairay avy.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy tamiko: Inona no hitanao? Ary hoy izaho: Hitako fa, indro, misy fanaovan-jiro tena volamena, ary ny fitoeran-diloilony dia eo an-tampony, ary ny lela fanaovan-jirony fito kosa dia eo aminy, ary misy fantsona fito avy amin'ny isan'ny lela fanaovan-jiro izay eo an-tampony;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy izy tamiko: Inona no hitanao? Ary hoy aho: Hitako fa indro, misy fitoeran-jiro izay volamena izy manontolo, ary ny fitoeran-diloilo eo aminy dia eo amboniny, ary jiro fito no eo an-tampony. Misy fantsona fito avy amin’ny jiro tsirairay izay eo an-tampony.
malagasy