Zechariah 4:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe? Ho tonga tany lemaka eo anoloan’i Zerobabela ianao. Izy no hitondra ny vato hatao tendrony sady hisy antsoantso hoe: Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe, eo anoloan’i Zôrôbabela? Ho tany lemaka ihany ianao. Ary izy hanangana ny vato hatao tendrony, eo amin’ny fihobiana hoe: ‹Fahasoavana, fahasoavana anie ho ao aminy!› »
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Sady niteny koa ny Tompo hoe: «Sakana va io tendrombohitra lehibe io? Holemahin’i Zerobabela izy. Hoesoriny avy ao ny vato izay hatao tendron’ny tempoly ka hantsoantsoin’ny olona hoe: ‹Mahafinaritra, mahafinaritra!› »
Malagasy Bible 1865
Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe? Ho tonga tany lemaka eo anoloan'i Zerobabela ianao; ary ho entiny mivoaka ny vato hatao tendrony sady hisy fiantsoana hoe: Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe? Ho tonga tany lemaka eo anoloan’i Zerobabela ianao. Izy no hitondra ny vato hatao tendrony sady hisy antsoantso hoe: Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy!
malagasy
Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe? Ho tonga tany lemaka eo anoloan'i Zerobabela ianao; ary ho entiny mivoaka ny vato hatao tendrony sady hisy fiantsoana hoe: Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy! [Na: ry tendrombohitra lehibe eo anoloan'i Zerobabela? Ho tany lemaka ianao]