Zechariah 5:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Avelako handeha izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ka hiditra ao an-tranon’ny mpangalatra sy ao an-tranon’izay manao fianianana mandainga amin’ny anarako ary hitoetra ao amin’ny tranony ka handevona izany mbamin’ny hazo sy ny vato eo aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izaho no nandefa izany ozona izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - ka ho tonga ao amin’ny tranon’ny mpangalatra sy amin’ny tranon’ny mianiana tsy tò amin’ny Anarako, dia hitoetra ao afovoan’izany trano izany ary handevona azy mbamin’ny hazony sy ny vatony.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny TOMPOn’izao rehetra izao dia manao teny hentitra hoe: Izaho no nampiainga izany ozona izany; hiditra ao an-tranon’ny mpangalatra sy ny mpianiana lainga amin’ny anarako izany, ary hitoetra ao ka handevona ny trano mbamin’ny hazony sy ny vatony.
Malagasy Bible 1865
Ho entiko mivoaka izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka hiditra ao an-tranon'ny mpangalatra sy ao an-tranon'izay mianian-tsy tò amin'ny anarako ary hitoetra ao amin'ny tranony ka handevona azy mbamin'ny hazony sy ny vatony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Avelako handeha izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ka hiditra ao an-tranon’ny mpangalatra sy ao an-tranon’izay manao fianianana mandainga amin’ny anarako ary hitoetra ao amin’ny tranony ka handevona izany mbamin’ny hazo sy ny vato eo aminy.
malagasy