Zechariah 5:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy izy: Io ny Faharatsiam-panahy. Dia natontany tao anatin’ny vata famarana ilay vehivavy ary natontany teo am-bavan’ny vata famarana ilay vongam-piraka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy izy hoe: «Io vehivavy io no haratsiam-panahy.» Dia natosiny ho ao afovoan’ny efah izy io, sady natontany teo am-bavan’io ilay vongam-pìraka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ilay anjely tamiko: –Io vehivavy io no Faharatsiam-panahy. Koa natosiny hiverina tao anaty vata izy ary nakatony ny sarona vongam-piraka.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy: Faharatsiana io. Ka dia natontany tao anatin'ny vata famarana io; ary natontany teo am-bavan'io ny vato firaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy izy: Io ny Faharatsiam-panahy. Dia natontany tao anatin’ny vata famarana ilay vehivavy ary natontany teo am-bavan’ny vata famarana ilay vongam-piraka.
malagasy
Ary hoy izy: Faharatsiana io. Ka dia natontany tao anatin'ny vata famarana io; ary natontany teo am-bavan'io ny vato firaka. [Heb. efaha]