Zechariah 6:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Indro ny Lehilahy atao hoe Rantsana; amin’ny androny dia hitsimoka ny zava-drehetra sady hanao ny tempolin’NY TOMPO izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: ‹Indro lehilahy anankiray atao hoe Solofo; hitsimoka eo amin’ny fitoerany izy, ka hanao ny tempolin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
avy eo izy dia hitenenanao hoe: «Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Indro misy lehilahy atao hoe Itsimoka; fa hitsimoham-piainana izay lalovany, sady izy no hanorina indray ny tempoliko;
Malagasy Bible 1865
dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro Lehilahy atao hoe Rantsana; ary hitsimoka eo am-pitoerany ihany Izy sady hanao ny tempolin'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Indro ny Lehilahy atao hoe Rantsana; amin’ny androny dia hitsimoka ny zava-drehetra sady hanao ny tempolin’NY TOMPO izy.
malagasy
dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro Lehilahy atao hoe Rantsana; ary hitsimoka eo am-pitoerany ihany Izy sady hanao ny tempolin'i Jehovah. [na: solofo] [na: ary hisy hitsimoka eo ambaniny]