Zechariah 6:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, Izy no hanao ny tempolin’NY TOMPO ary Izy no hitondra voninahitra ka hipetraka sy hanapaka eo amin’ny sezafiandrianany; hisy mpisorona hafa koa eo amin’ny sezafiandrianany ary hisy fihavanana tanteraka amin’izy roa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izy no hanao ny tempolin’i Iaveh, hotafiana fiandrianana, hipetraka ho mpanjaka eo amin’ny seza fiandrianany, ho mpisorona eo amin’ny seza fiandrianany, ary hisy fisainam-pihavanana eo amin’izy roaroa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
eny, izy no hanorina indray ny tempoliko. Ary hisalotra ny fanamiana maha mpanjaka izy, ka eo amin’ny sezafiandrianany no hipetrahany hanapaka ny vahoaka. Eo ankavanan’io lehilahy io kosa dia hisy mpisorona anankiray, izay eo amin’ny sezafiandrianany manokana; ka fisainana mifanaraka tsara no hisy amin’izy roalahy ireo.»
Malagasy Bible 1865
Eny, Izy no hanao ny tempolin'i Jehovah, ary Izy no hitondra voninahitra ka hipetraka sy hanapaka eo amin'ny seza fiandrianany; ary ho mpisorona eo amin'ny seza fiandrianany Izy; ary hisy fisainam-pihavanana amin'izy roroa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, Izy no hanao ny tempolin’NY TOMPO ary Izy no hitondra voninahitra ka hipetraka sy hanapaka eo amin’ny sezafiandrianany; hisy mpisorona hafa koa eo amin’ny sezafiandrianany ary hisy fihavanana tanteraka amin’izy roa.
malagasy
Eny, Izy no hanao ny tempolin'i Jehovah, ary Izy no hitondra voninahitra ka hipetraka sy hanapaka eo amin'ny seza fiandrianany; ary ho mpisorona eo amin'ny seza fiandrianany Izy; ary hisy fisainam-pihavanana amin'izy roroa. [na: ary hisy mpisorona eo amin'ny seza fiandrianany]