Zechariah 6:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izay lavitra dia ho avy ka hanangana ny tempolin’NY TOMPO ka ho fantatrareo fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no naniraka ahy ho aminareo. Dia ho tonga izany raha mazoto mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho tonga hanao ny tempolin’i Iaveh ny avy lavitra, ka ho fantatrareo fa i Iavehn’ny tafika no naniraka ahy ho atỳ aminareo. Ho tanteraka izany, raha manaiky tsara ny feon’i Iaveh ianareo.› »
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hisy koa olona avy lavitra ho tonga hanampy amin’ny fanamboarana ny tempolin’ny TOMPO. Amin’izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn’izao rehetra izao no naniraka ahy ho atỳ aminareo. Ho tonga izany, raha mankatò ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo.
Malagasy Bible 1865
Ary izay lavitra dia ho avy ka hanao ao amin'ny tempolin'i Jehovah, ka dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy ho aminareo. Dia ho tonga izany, raha hazoto hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izay lavitra dia ho avy ka hanangana ny tempolin’NY TOMPO ka ho fantatrareo fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no naniraka ahy ho aminareo. Dia ho tonga izany raha mazoto mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo.
malagasy