Zechariah 6:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Matanjaka izy ireo ary miroso ka mitady handeha hivezivezy eny amin’ny tany; dia hoy NY TOMPO: Mandehana ianareo, miveziveze eny amin’ny tany! Dia nandeha nivezivezy teny amin’ny tany ireo kalesy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nivoaka ireo mavitrika, dia nangataka hiainga mba hitety ny tany; ka hoy ny Anjely tamin’ireo: «Mandehana mitety ny tany»; dia nitety ny tany ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo soavaly manja koa niroso amin’ny lalany; fa samy maimay izy rehetra ireo handeha hitety ny tany. Dia hoy ny TOMPO taminy: –Mandehana mitety ny tany ianareo. Ka dia lasa nitety ny tany ireto kalesy ireto.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mena dia nivoaka ka nitady handeha hivoivoy eny amin'ny tany; dia hoy izy: Mandehana ianareo, mivoivoiza eny amin'ny tany. Ka dia nandeha nivoivoy teny amin'ny tany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Matanjaka izy ireo ary miroso ka mitady handeha hivezivezy eny amin’ny tany; dia hoy NY TOMPO: Mandehana ianareo, miveziveze eny amin’ny tany! Dia nandeha nivezivezy teny amin’ny tany ireo kalesy.
malagasy
Ary ny mena dia nivoaka ka nitady handeha hivoivoy eny amin'ny tany; dia hoy izy: Mandehana ianareo, mivoivoiza eny amin'ny tany. Ka dia nandeha nivoivoy teny amin'ny tany izy. [na: matanjaka]