Zechariah 7:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Dariosy no nahatongavan’ny tenin’NY TOMPO tamin’i Zakaria, tamin’ny andro fahefatra tamin’ny volana fahasivy na Kisleo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Dariosa, tonga tamin’i Zakaria ny tenin’i Iaveh, tamin’ny andro fahefatry ny volana fahasivy, volana Kasleo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Dariôsa, fony andro fahefatry ny volana fahasivy na ny volana Kisleo, no nisy hafatry ny TOMPO tamiko.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Dariosa no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamin'i Zakaria, tamin'ny andro fahefatra tamin'ny volana fahasivy (Kisleva izany);
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Dariosy no nahatongavan’ny tenin’NY TOMPO tamin’i Zakaria, tamin’ny andro fahefatra tamin’ny volana fahasivy na Kisleo.
malagasy
[Valin'ny fanontanian'ny avy any Betela ny amin'ny andro fifadiana, ary filazana ny loza hamelezan'i Jehovah ny olony, sy ny mbola hitahiany azy] Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Dariosa no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamin'i Zakaria, tamin'ny andro fahefatra tamin'ny volana fahasivy (Kisleva izany);