Zechariah 7:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, nataony mafy toy ny diamondra ny fony mba tsy hihainoany ny lalàna sy ny teny izay nampitondrain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, tamin’ny Fanahiny tamin’ny alalan’ny mpaminany fahiny. Koa izany no nahatonga ny fahatezerana mafy avy tamin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nataony tonga toy ny diamondra ny fony tsy hihaino ny lalàna sy ny teny nampitondrain’i Iavehn’ny tafika azy ireo, nolazain’ny Fanahiny tamin’ny alalan’ny mpaminany fahiny. Koa nisy fahatezerana mafy avy amin’i Iavehn’ny tafika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, nanao ny fony ho mafy toy ny diamondra izy ka tsy nety nihaino ny fampianaran’ilay TOMPOn’izao rehetra izao, dia ny teny izay nampilazan’ny Fanahiny tamin’alalan’ny mpaminany fahiny. Noho izany tezitra mafy ny Tompon’izao rehetra izao,
Malagasy Bible 1865
Eny, nanao ny fony ho mafy,toy ny diamondra Izy, mba tsy hihaino ny lalàna sy ny teny izay nampitondrain'ny Fanahin'i Jehovah, Tompon'ny maro, holazain'ny mpaminany fahiny, ka dia tonga izay fahatezerana mafy avy tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, nataony mafy toy ny diamondra ny fony mba tsy hihainoany ny lalàna sy ny teny izay nampitondrain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, tamin’ny Fanahiny tamin’ny alalan’ny mpaminany fahiny. Koa izany no nahatonga ny fahatezerana mafy avy tamin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
malagasy