Zechariah 7:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lazao amin’ny vahoaka rehetra amin’ny tany sy amin’ny mpisorona hoe: Raha nifady hanina sy nitomany tamin’ny volana fahadimy sy ny fahafito nandritra ny fitopolo taona ianareo, moa ho Ahy tokoa no nifadianareo?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Mitenena ianao amin’ny vahoaka rehetra amin’ny tany mbamin’ny mpisorona, ka lazao amin’izy ireo hoe: ‹Raha nifady hanina sy nanao fisaonana ianareo, tamin’ny volana fahadimy sy fahafito, efa hatramin’ny fitopolo taona izay, moa ho Ahy va no nifadianareo hanina?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
nampitondra ahy ny valin-teniny ho an’ny mpisorona sy ho an’ny mponina rehetra teo amin’ny tany nanao hoe: «Hatramin’izay fitopolo taona izay, raha nifady hanina sy nitomany tamin’ny volana fahadimy sy fahafito ianareo, moa ho Ahy va no nanaovanareo izany?
Malagasy Bible 1865
Lazao amin'ny vahoaka rehetra amin'ny tany sy amin'ny mpisorona hoe: Raha nifady hanina sy nitomany tamin'ny volana fahadimy sy ny fahafito tamin'izao fito-polo taona izao, ianareo moa nifady ho Ahy va ianareo?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lazao amin’ny vahoaka rehetra amin’ny tany sy amin’ny mpisorona hoe: Raha nifady hanina sy nitomany tamin’ny volana fahadimy sy ny fahafito nandritra ny fitopolo taona ianareo, moa ho Ahy tokoa no nifadianareo?
malagasy