Zechariah 8:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa talohan’izany andro izany dia tsy nisy valin-kasasarana ho an’ny olona, na valim-pahasasarana ho an’ny biby fiompy; ary tsy nisy fiadanana ho an’izay nivoaka sy izay niditra noho ny fahavalo, fa nalefako hifamely amin’ny namany avy ny olona rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Talohan’izany andro izany tsy nisy karama ho an’ny olona, tsy nisy karama ho an’ny biby, tsy nisy azon’izay nivoaka sy niditra hitokiana amin’ny fahavalo, fa nalefako hifamely avokoa ny olona rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Talohan’izany andro izany dia tsy nisy valin-kasasarana na ho an’ny olona na ho an’ny biby. Ary tsy nisy olona afa-nivezivezy ka tsy notandindomim-pahavalo; fa navelako hifamely ny olon-drehetra.
Malagasy Bible 1865
Fa talohan'izany andro izany dia tsy nisy valim-pahasasarana ho an'ny olona, na valim-pahasasarana ho an'ny biby fiompy; ary tsy nisy fiadanana ho an'izay nivoaka sy izay niditra noho ny fahavalo, fa nalefako samy hifamely amin'ny namany avy ny olona rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa talohan’izany andro izany dia tsy nisy valin-kasasarana ho an’ny olona, na valim-pahasasarana ho an’ny biby fiompy; ary tsy nisy fiadanana ho an’izay nivoaka sy izay niditra noho ny fahavalo, fa nalefako hifamely amin’ny namany avy ny olona rehetra.
malagasy