Zechariah 8:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hamafy amin’ny fiadanana ny olona: Ny voaloboka dia hamoa, ny tany dia hahavokatra, ny lanitra dia hampilatsaka ny andony ary ny sisa amin’ity firenena ity no hampandovaiko izany rehetra izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
- Fa ny voa afafy hirobona, ny voaloboka, hamoa ny voany; ny tany, hahavokatra ny vokany; ny lanitra, handatsaka ny andony; ary izay sisa amin’ity firenena ity no hataoko tompon’izany zavatra rehetra izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fa hamafy fiadanana etỳ amin’ny tany Aho ka hamoa be ny voaloboka ary hahavokatra ny saha; ny lanitra hampilatsaka ny orana sahaza, ary dia homeko ireo soa rehetra ireo izay sisa velona amin’ny vahoakako.
Malagasy Bible 1865
Fa hisy vokatry ny fiadanana, ny voaloboka hamoa, ary ny tany hahavokatra, ary ny lanitra hampilatsaka ny andony, ary ny sisa amin'ity firenena ity no hampandovaiko izany rehetra izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hamafy amin’ny fiadanana ny olona: Ny voaloboka dia hamoa, ny tany dia hahavokatra, ny lanitra dia hampilatsaka ny andony ary ny sisa amin’ity firenena ity no hampandovaiko izany rehetra izany.
malagasy
Fa hisy vokatry ny fiadanana, ny voaloboka hamoa, ary ny tany hahavokatra, ary ny lanitra hampilatsaka ny andony, ary ny sisa amin'ity firenena ity no hampandovaiko izany rehetra izany. [na: fa hamoa ny voankazo izay vanona amin'ny fiadanana, dia ny voaloboka]