Zechariah 8:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary toy ny nahatonga anareo ho fanozonana tany amin’ny Jentilisa, ry taranak’i Joda sy ry taranak’Israely, dia ho toy izany no hamonjeko anareo ka ho tonga fitahiana kosa ianareo. Aza matahotra fa mahereza ianareo!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hisy toy izao: Toy ny naha-fanozonana anareo tany amin’ny firenena, ry taranak’i Jodà sy taranak’i Israely, no hanafahako anareo, ka hahatongavanareo ho fitsofan-drano. Aza matahotra fa aoka hatanjaka ny tananareo!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry fanjakan’i Joda sy i Israely, toy ny nahatongavanareo ho oha-panozonana tany amin’ny hafa firenena, dia toy izany koa ankehitriny no anafahako anareo ka hahatonga anareo ho oha-pitahiana; koa aza matahotra intsony, fa mahereza.»
Malagasy Bible 1865
Ary toy ny nahatongavanareo ho fanozonana tany amin'ny firenena, ry taranak'i Joda sy ry taranak'Isiraely, dia ho toy izany no hamonjeko anareo, ka dia ho tonga fitsofan-drano kosa ianareo; aza matahotra, fa aoka hatanjaka ny tananareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary toy ny nahatonga anareo ho fanozonana tany amin’ny Jentilisa*, ry taranak’i Joda sy ry taranak’Israely, dia ho toy izany no hamonjeko anareo ka ho tonga fitahiana kosa ianareo. Aza matahotra fa mahereza ianareo!
malagasy
Ary toy ny nahatongavanareo ho fanozonana tany amin'ny firenena, ry taranak'i Joda sy ry taranak'Isiraely, dia ho toy izany no hamonjeko anareo, ka dia ho tonga fitsofan-drano kosa ianareo; aza matahotra, fa aoka hatanjaka ny tananareo.