Zechariah 8:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary aza misy mieritreritra ao am-ponareo hanisy ratsy ny namanareo ianareo ary aza tia fianianana mandainga; fa izany rehetra izany dia halako, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
aza misaintsaina ao am-ponareo ny lozan’ny namanareo, ary aza tia ny fianianan-tsy to; fa halako avokoa izany rehetra izany,» - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aza mieritreritra hanisy ratsy ny namana ary aza mety hianiana lainga, fa halako ny zavatra rehetra toy ireny. Izaho TOMPO no manao izany teny hentitra izany.»
Malagasy Bible 1865
ary aza misy mieritreritra ao am-ponareo hanisy ratsy ny namanareo ianareo, ary aza tia fianianan-tsy tò; fa izany rehetra izany dia halako, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary aza misy mieritreritra ao am-ponareo hanisy ratsy ny namanareo ianareo ary aza tia fianianana mandainga; fa izany rehetra izany dia halako, hoy NY TOMPO.
malagasy
ary aza misy mieritreritra ao am-ponareo hanisy ratsy ny namanareo ianareo, ary aza tia fianianan-tsy tò; fa izany rehetra izany dia halako, hoy Jehovah.