Zechariah 8:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO: Efa tafaverina eto Ziona Aho ka honina eto afovoan’i Jerosalema; ary i Jerosalema dia hatao hoe Tanànan’ny fahamarinana, ary ny tendrombohitr’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hatao hoe Tendrombohitra masina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh: «Tafaverina eto i Siôna Aho, ka te honina eo afovoan’i Jerosalema; i Jerosalema hantsoina hoe: ny tanànan’ny fahamarinana; ary ny tendrombohitr’i Iavehn’ny tafika, hatao hoe: ny tendrombohitry ny fahamasinana.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa Izaho TOMPO mihitsy no milaza fa efa tafaverina indray eto Tsiôna Aho ka monina eo afovoan’i Jerosalema. Ny hiantsoana an’i Jerosalema dia «Tanàna mahatoky.» ary ny hiantsoana an’i Tsiôna tendrombohitro dia «Tendrombohitra masina.»
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah: Efa tafaverina ho eto Ziona Aho ka honina eto afovoan'i Jerosalema; ary Jerosalema dia hatao hoe Tanànan'ny fahamarinana, ary ny tendrombohitr'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia hatao hoe Tendrombohitra masina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO: Efa tafaverina eto Ziona Aho ka honina eto afovoan’i Jerosalema; ary i Jerosalema dia hatao hoe Tanànan’ny fahamarinana, ary ny tendrombohitr’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hatao hoe Tendrombohitra masina.
malagasy