Zechariah 8:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Mbola hisy lahiantitra sy vaviantitra hipetraka eny amin’ny kianja malalaka ao Jerosalema, samy hanana tehina eny an-tanany noho ny fahanterany;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Mbola hisy anti-dahy sy anti-bavy indray, hipetraka eny amin’ny kianja any Jerosalema, samy hitana tehina avy noho ny andro niainany efa maro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao, mbola hisy lehilahy sy vehivavy antitra hipetrapetraka eny an-kianjan’i Jerosalema; ka isan’olona ireo, noho ny fahanterany, dia samy hitondra tehina an-tanana.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mbola hisy lahy antitra sy vavy antitra hipetraka eny an-dalamben'i Jerosalema, samy hitehina amin'ny tehina eny an-tànany isan-olona noho ny fahanterany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mbola hisy lahy antitra sy vavy antitra hipetraka eny an-dalamben'i Jerosalema, samy hitehina amin'ny tehina eny an-tànany isan-olona noho ny fahanterany;