Zechariah 8:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Raha mahagaga izany eo imason’ny sisa tavela amin’ity firenena ity amin’izany andro izany, moa hahagaga eo imasoko koa va? hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Amin’izany andro izany, na hiseho ho zava-mahagaga aza izany eo imason’izay sisa amin’ity firenena ity, moa ho zava-mahagaga eo imasoko koa va izany.» - teny marin’i Iavehn’ny tafika? -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ihany Izaho TOMPOn’izao rehetra izao: Raha sarotra atao ho amin’ireo andro ireo izany ho an’ny vahoaka israelita sisa velona, dia tsy ho sarotra atao kosa izany amiko. Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Raha mahagaga izany eo imason'ny sisa amin'ity firenena ity amin'izany andro izany, moa hahagaga eo imasoko koa va? hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Raha mahagaga izany eo imason'ny sisa amin'ity firenena ity amin'izany andro izany, moa hahagaga eo imasoko koa va? hoy Jehovah, Tompon'ny maro.