Zechariah 8:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Aoka hatanjaka ny tananareo, dia ianareo izay mandre izany teny izany amin’izao andro izao, avy amin’ny vavan’ny mpaminany izay teo tamin’ny andro nanaovana ny fanorenan’ny tranon’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, mba hanorenana ny tempoly.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Aoka hatanjaka ny tananareo, ianareo izay mandre amin’izao andro izao, ireto teny avy amin’ny vavan’ny mpaminany ireto, izay niteny tamin’ny andro nametrahana ny fanorenana ny tranon’i Iavehn’ny tafika, mba ho voaorina indray ny tempoly.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Mahereza, fa efa renareo ankehitriny ny fampanantenana izay nambaran’ny mpaminany tamin’ny andro nametrahana ny fototry ny tranoko mba hanorenana indray ny tempoliko.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Aoka hatanjaka ny tananareo izay mandre izany teny izany amin'izao andro izao avy amin'ny vavan'ny mpaminany, izay teo tamin'ny andro nanaovana ny fanorenan'ny tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia ny nanaovana ny tempoly.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Aoka hatanjaka ny tananareo, dia ianareo izay mandre izany teny izany amin’izao andro izao, avy amin’ny vavan’ny mpaminany izay teo tamin’ny andro nanaovana ny fanorenan’ny tranon’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, mba hanorenana ny tempoly.
malagasy