Zechariah 9:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Teny faminaniana. Tonga any amin’ny faritanin’i Hadraka ny tenin’NY TOMPO ary miato any Damaskosy izany. Fa ny mason’NY TOMPO mandinika ny olombelona mbamin’ny foko rehetra amin’ny Israely
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Teny fitsarana. Tenin’i Iaveh mamely ny tany Hadràky; ary ao Damasa no ho fonenany, - fa ny mason’i Iaveh dia eo amin’ny olona, sy eo amin’ny fokon’i Israely rehetra; -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hafatry ny TOMPO. Any amin’ny tanin’i Hadràka no tafapaka ny teniny, ka niato tao Damasy; satria samy an’ny TOMPO na ireo tanànan’i Arama na ny fitambaran’ireo fokon’ny Israely.
Malagasy Bible 1865
Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah ny amin'ny loza hanjo ny tany Hadraka, Ary Damaskosy no hiharany - Fa ny mason'i Jehovah mandinika ny olombelona Mbamin'ny firenena rehetra amin'ny Isiraely -
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Teny faminaniana. Tonga any amin’ny faritanin’i Hadraka ny tenin’NY TOMPO ary miato any Damaskosy izany. Fa ny mason’NY TOMPO mandinika ny olombelona mbamin’ny foko rehetra amin’ny Israely
malagasy
[Ny handravana ny firenena maro, sy ny voninahitra ho azon'i Ziona kosa] Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah ny amin'ny loza hanjo ny tany Hadraka, Ary Damaskosy no hiharany - Fa ny mason'i Jehovah mandinika ny olombelona Mbamin'ny firenena rehetra amin'ny Isiraely - [na: fa mijery an'i Jehovah ny mason'ny olombelona]