Zechariah 9:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hofoanako tsy hisy kalesy fitondra miady intsony any Efraima, na soavaly any Jerosalema; hotapahiko koa ny tsipìka fiadiana. Hanambara fiadanana amin’ny Jentilisa Izy; ny fanapahany dia ho hatramin’ny ranomasina iray ka hatramin’ny ranomasina iray ary hatramin’ny ony Eofrata ka hatramin’ny faran’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hofoanako tsy hisy ny kalesy fiadiana any Efraima, mbamin’ny soavaly ao Jerosalema, ary hopotehina ny tsipìka fiadiana. Hilaza fiadanana amin’ny firenena izy; ny fanjakany dia hahatratra ny hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina; ary hatramin’ny ony ka hatramin’ny faran’ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hofoanany tsy ho ao Efraîma intsony ny kalesy ary tsy ho ao Jerosalema ny soavaly fitondra miady Hopotehiny ny tsipîkan’ady ary hilaza fiadanana amin’ny firenena Izy. Ny fifehezany dia hatreo amin’ny ranomasina iray ka hatrany amin’ny ranomasina iray hafa, ary hatreo amin’ny onin’i Eofrata ka hatrany am-paran’ny tany.
Malagasy Bible 1865
Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin'ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina Ary hatramin'ny Ony ka hatramin'ny faran'ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hofoanako tsy hisy kalesy fitondra miady intsony any Efraima, na soavaly any Jerosalema; hotapahiko koa ny tsipìka fiadiana. Hanambara fiadanana amin’ny Jentilisa* Izy; ny fanapahany dia ho hatramin’ny ranomasina iray ka hatramin’ny ranomasina iray ary hatramin’ny ony Eofrata ka hatramin’ny faran’ny tany.
malagasy
Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin'ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina Ary hatramin'ny Ony ka hatramin'ny faran'ny tany. [Eofrata]