Zechariah 9:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nohenjaniko ny tsipìkako, dia i Joda, ary i Efraima no nataoko zana-tsipìka; ary hotairiko ny zanakao, ry Ziona, hiady amin’ny zanakao, ry Gresy! Hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa henjaniko ho Ahy i Jodà, ary ataoko amin’ny tsipìka i Efraima. Hamporisika ny zanakao Aho, ry Siôna, hiady amin’ny zanakao, ry Javàna, ary hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hampiasaiko toy ny tsipîkan’ady i Joda, ka i Efraîma no ho tahaka ny zana-tsipîkany. Ry Tsiôna, hotairiko ny vatan-dehilahinao hiady amin’ireo vatan-dehilahy grika; toy ny sabatry ny mpiady mahery no hampiasako ireo vatan-dehilahinao.»
Malagasy Bible 1865
Fa nohenjaniko ho Ahy Joda, Efraima nataoko zana-tsipìka; Ary hotairiko ny zanakao, ry Ziona, hiady amin'ny zanakao, ry Grisia, Ary hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nohenjaniko ny tsipìkako, dia i Joda, ary i Efraima no nataoko zana-tsipìka; ary hotairiko ny zanakao, ry Ziona*, hiady amin’ny zanakao, ry Gresy! Hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao.
malagasy
Fa nohenjaniko ho Ahy Joda, Efraima nataoko zana-tsipìka; Ary hotairiko ny zanakao, ry Ziona, hiady amin'ny zanakao, ry Grisia, Ary hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao,