Zechariah 9:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO hiseho eo amboniny ka handeha toy ny tselatra ny zana-tsipìkany; NY TOMPO Andriamanitra hitsoka anjomara ka handroso amin’ny tafio-drivotra any atsimo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hiseho eo ambonin’izy ireo i Iaveh, hitsoriaka toy ny helatra, ny zana-tsipìkany. Hampaneno ny trômpetra ny Tompo Iaveh, ary handroso amin’ny tafio-drivotra any atsimo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny Tompo hiseho eo ambonin’ny vahoakany; ka hipoitra toy ny tselatra ny zana-tsipîkany Hitsoka anjomara ny Tompo ANDRIANANAHARY ka ho tonga miaraka amin’ny tafio-drivotra atsimo.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah hiseho ao aminy, Ka handeha toy ny helatra ny zana-tsipìkany, Jehovah Tompo hitsoka anjomara Ka handeha amin'ny tafio-drivotra any atsimo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO hiseho eo amboniny ka handeha toy ny tselatra ny zana-tsipìkany; NY TOMPO Andriamanitra hitsoka anjomara ka handroso amin’ny tafio-drivotra any atsimo.
malagasy
Ary Jehovah hiseho ao aminy, Ka handeha toy ny helatra ny zana-tsipìkany, Jehovah Tompo hitsoka anjomara Ka handeha amin'ny tafio-drivotra any atsimo.