Zechariah 9:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no hiaro ireny; dia hihinana ireny ka hanitsakitsaka vaton’antsamotady; ary hisotro ireny ka hihorakoraka tahaka ny azon’ny divay ary ho feno tahaka ny lovia famafazana ireny, tahaka ny zoron’ny alitara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Harovan’i Iavehn’ny tafika izy ireo; ka handevona, hanitsakitsaka ny vaton’antsamotady, hisotro, hihavatràvatra toy ny azon-divay, ary ho feno toy ny kapoaka fisoronana, toy ny tandroky ny ôtely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny Tompon’izao rehetra izao hiaro ny vahoakany; ka havandra vaventy no halefany hamotika sy hanorotoro ny fahavalony; dia hataony mikoriana ny ran’ireo ka hampiely ny ran’ny fahavalony mova tsy tahaka ny divay, na koa tahaka ny ram-biby atao sorona izay mameno ny tsangambava famafazana sy mandrakotra ny zoron’ny alitara.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah, Tompon'ny maro, no hiaro ireny; Dia hihinana ireny ka hanitsakitsaka vaton'antsamotady; Ary hisotro ireny ka hihorakoraka tahaka ny azon'ny divay, Ary ho feno toy ny lovia famafazana ireny, dia toy ny zoron'ny alitara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no hiaro ireny; dia hihinana ireny ka hanitsakitsaka vaton’antsamotady; ary hisotro ireny ka hihorakoraka tahaka ny azon’ny divay ary ho feno tahaka ny lovia famafazana ireny, tahaka ny zoron’ny alitara.
malagasy