Zechariah 9:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manangana toby hiaro ny tranoko Aho noho ny miaramila betsaka, dia izay mandroso sy miverina; mba tsy hisy mpampahory handeha hamakivaky eo aminy intsony; fa ankehitriny dia ny masoko no miambina azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitoby manodidina ny tranoko Aho; hiaro azy amin’ny tafika rehetra sy amin’ny mpandehandeha rehetra; ka tsy hisy mpampahory hamaky eo aminy intsony, fa ny masoko no efa nahita ankehitriny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hiambina manodidina ny taniko Aho mba hiaro azy amin’ireo tafika izay mihaodihaody mandalo; ka tsy hisy intsony hamaky eo hampahory ny vahoakako fa efa hitako ankehitriny ny fahoriany.»
Malagasy Bible 1865
Ary hitoby Aho hiaro ny tranoko noho ny miaramila betsaka, Dia noho izay mandroso sy miverina; Ary tsy hisy mpampahory handeha hamaky eo aminy intsony, Fa ankehitriny dia efa hitan'ny masoko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manangana toby hiaro ny tranoko Aho noho ny miaramila betsaka, dia izay mandroso sy miverina; mba tsy hisy mpampahory handeha hamakivaky eo aminy intsony; fa ankehitriny dia ny masoko no miambina azy.
malagasy
Ary hitoby Aho hiaro ny tranoko noho ny miaramila betsaka, Dia noho izay mandroso sy miverina; Ary tsy hisy mpampahory handeha hamaky eo aminy intsony, Fa ankehitriny dia efa hitan'ny masoko. [na: mba tsy hisy mandroso na miverina, ka]