Zephaniah 1:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany dia hotsiloviko amin’ny jiro i Jerosalema, koa hovaliako ny olona izay efa lefy toy ny divay misy faikany, dia izay miteny anakampo hoe: Sady tsy hanao soa NY TOMPO no tsy hanao ratsy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no hatao amin’izany andro izany: Hokarohiko amin’ny fanala i Jerosalema, ka hofaizako ny olona mandry mifetaka amin’ny faikany, izay manao anakampo hoe: Tsy manisy soa, tsy manisy ratsy i Iaveh!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izay fotoana izay dia handray fanala Aho ary hosavaiko ny tanànan’i Jerosalema; ka hofaiziko ny olona izay mandry fahalemana toy ny faikan-divay efa mifetaka, dia izay manao anakampo hoe: «Sady tsy hanao soa ny TOMPO no tsy hanao ratsy!»
Malagasy Bible 1865
Ary amin'izany andro izany dia hotsiloviko amin'ny jiro Jerosalema, Ka hovaliako ny olona izay efa lefy ao amin'ny faikany, Dia izay manao anakampo hoe: Sady tsy hanao soa Jehovah no tsy hanao ratsy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary amin'izany andro izany dia hotsiloviko amin'ny jiro Jerosalema, Ka hovaliako ny olona izay efa lefy ao amin'ny faikany, Dia izay manao anakampo hoe: Sady tsy hanao soa Jehovah no tsy hanao ratsy.