Zephaniah 1:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa antomotra ny Andro lehiben’NY TOMPO; eny, efa antomotra sady miha haingana indrindra. Injany ny feon’ny Andron’NY TOMPO, mitomany mafy any ny lehilahy mahery.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa akaiky ny andro lehiben’i Iaveh, efa akaiky izy sady tamy haingana dia haingana! Injay migàdona ny andron’i Iaveh! Ho velon-taraina mangidy amin’izay ny olo-mahery fo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manakaiky ilay andro lehibe hiavian’ny TOMPO, manakaiky sady ho tamy faingana tokoa. Vao migadona izany dia kiakam-pahakiviana, fa na ny lehilahy mahery fo aza dia hiantsoantso mafy vonjeo!
Malagasy Bible 1865
Efa antomotra ny andro lehiben'i Jehovah; Eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra, Injay! feon'ny andron'i Jehovah! Ny lehilahy mahery dia mitomany mafy any.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa antomotra ny Andro lehiben’NY TOMPO; eny, efa antomotra sady miha haingana indrindra. Injany ny feon’ny Andron’NY TOMPO, mitomany mafy any ny lehilahy mahery.
malagasy
Efa antomotra ny andro lehiben'i Jehovah; Eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra, Injay! feon'ny andron'i Jehovah! Ny lehilahy mahery dia mitomany mafy any.