Zephaniah 1:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Andron’ny fahatezerana izany andro izany, andron’ny fahoriana sy tebiteby, andron’ny fandringanana sy fandravana, andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izany andro izany, dia androm-pahatezerana, androm-pahoriana aman-tebiteby, andro fahalahelovana amam-pandravana, androm-pahamaizinana sy fanjombonana, andro mandrahona sady manjavona mainty,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho androm-pahatezeran’ny TOMPO izany, ho androm-pahoriana sy tebiteby, ho androm-paharavana sy fahapotehana, eny, ho andro maizina mikitroka, ho andro rako-drahona sy zavona.
Malagasy Bible 1865
Andro fahatezerana izany andro izany, Andro fahoriana sy fahalahelovana, Andro fandravana sy fanafoanana, Andro maizina sy manjombona, Andro mandrahona sy maizim-pito.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Andron’ny fahatezerana izany andro izany, andron’ny fahoriana sy tebiteby, andron’ny fandringanana sy fandravana, andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito.
malagasy
Andro fahatezerana izany andro izany, Andro fahoriana sy fahalahelovana, Andro fandravana sy fanafoanana, Andro maizina sy manjombona, Andro mandrahona sy maizim-pito.