Zephaniah 1:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hampahory ny olona Aho: Handeha toy ny jamba izy satria efa nanota tamin’NY TOMPO; haely toy ny vovoka ny rany, ary ho toy ny fako ny fatiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Halatsako am-pahoriana ny olona, ka hiraparapa toy ny jamba, satria nanota tamin’i Iaveh izy. Hiraraka toy ny vovoka ny rany, ary toy ny zezika ny nofony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ny TOMPO hoe: «Hampahorîko ny olona ka hitsapatsapa toy ny jamba, noho izy efa nanota tamiko; ka ny rany dia hiraraka toy ny vovoka, ary ny fatiny ho lo tahaka ny zezika.»
Malagasy Bible 1865
Ary hampahory ny olona Aho, Handehanany toy ny jamba, Satria efa nanota tamin'i Jehovah izy; Ny ràny dia haidina toy ny vovoka, Ary ny nofony ho toy ny zezika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hampahory ny olona Aho: Handeha toy ny jamba izy satria efa nanota tamin’NY TOMPO; haely toy ny vovoka ny rany, ary ho toy ny fako ny fatiny.
malagasy
Ary hampahory ny olona Aho, Handehanany toy ny jamba, Satria efa nanota tamin'i Jehovah izy; Ny ràny dia haidina toy ny vovoka, Ary ny nofony ho toy ny zezika.Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah, Fa holevonin'ny afon'ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin'ny mponina amin'ny tany. [Na: mahatsiravina]