Zephaniah 1:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin’ny andro fahatezeran’NY TOMPO; fa ny afon’ny fahasaro-piarony no handevonany ny tany rehetra; fa fahafonganana tena mahatsiravina no hataony amin’ny mponina amin’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy hisy hahavonjy azy na ny volafotsiny na ny volamenany, amin’ny andron’ny fisafoahan’i Iaveh; holevonin’ny fahasaro-piarony avokoa ny tany; fa hataony rava tsy misy miangana, ataony fongotra tampoka, ny mponina rehetra amin’ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’ny androm-pahatezeran’ny TOMPO, dia samy tsy hahavonjy ny olona na ny volafotsiny na ny volamenany. Fa hiredareda ny fahasaro-piaron’ny TOMPO ka handevona ny tany tontolo. Eny, hahatsiravina tokoa izany, satria haringan’ny TOMPO ny mponina rehetra amin’ny tany.
Malagasy Bible 1865
Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah, Fa holevonin'ny afon'ny  fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin'ny mponina amin'ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin’ny andro fahatezeran’NY TOMPO; fa ny afon’ny fahasaro-piarony no handevonany ny tany rehetra; fa fahafonganana tena mahatsiravina no hataony amin’ny mponina amin’ny tany.
malagasy
Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah, Fa holevonin'ny afon'ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin'ny mponina amin'ny tany. [Na: mahatsiravina]