Zephaniah 1:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
eny, haringako ny olona sy ny biby; haringako ny vorona eny amin’ny habakabaka sy ny hazandrano any an-dranomasina ary ny zavatra mahatafintohina mbamin’ny ratsy fanahy; haringako tsy ho eo amin’ny tany ny olona, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoesoriko ny olombelona sy ny biby; hoesoriko ny voromanidina sy ny hazan-dranomasina, ary ny fanafintohinana mbamin’ny ratsy fanahy; ka haringako eo ambonin’ny tany ny olombelona, - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hopotehiko ny olona sy ny biby ary ny vorona mbamin’ny trondro; haringako ny ratsy fanahy sy ny asa manafintohina ataony. Tsy avelako hisy olona na dia iray aza eto ambonin’ny tany. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany».
Malagasy Bible 1865
Eny, hakifako ny olona sy ny biby; Hakifako ny vorona eny amin'ny habakabaka sy ny hazandrano any an-dranomasina. Ary ny zavatra mahatafintohina mbamin'ny ratsy fanahy, Haringako tsy ho amin'ny tany ny olona, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
eny, haringako ny olona sy ny biby; haringako ny vorona eny amin’ny habakabaka sy ny hazandrano any an-dranomasina ary ny zavatra mahatafintohina mbamin’ny ratsy fanahy; haringako tsy ho eo amin’ny tany ny olona, hoy NY TOMPO.
malagasy