Zephaniah 1:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manainga ny tanako Aho mba hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema; dia haringako tsy ho eo amin’ity toerana ity ny sisa amin’ny Baala sy ny anaran’ny mpisorona amin’ny andriamanitra tsy izy mbamin’ny tena mpisorona
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia haninji-tanana hamely an’i Jodà Aho, sy hamely ny mponina rehetra ao Jerosalema, ary haringako amin’ity fitoerana ity ny sisan’i Baala, ny anaran’ny mpandraharahany miaraka amin’ny mpisorona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Hirotsaka hamely ny mponin’i Jerosalema sy ny vahoaka rehetra ao Joda Aho. Hofoanako tsy hisy amin’ity toerana ity ny zavatra sisa rehetra tamin’ny fanompoana an’i Bahala; eny, hofoanako hatramin’ny fahatsiarovana ireo mpisoron’io andriamani-tsiizy io koa aza.
Malagasy Bible 1865
Ary hahinjitro ny tanako hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema; Dia haringako tsy ho eo amin'ity tany ity ny sisa amin'i Bala, Sy ny anaran'ny mpisorona amin'ny andriamani-tsi-izy mbamin'ny tena mpisorona,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manainga ny tanako Aho mba hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema; dia haringako tsy ho eo amin’ity toerana ity ny sisa amin’ny Baala* sy ny anaran’ny mpisorona amin’ny andriamanitra tsy izy mbamin’ny tena mpisorona
malagasy
Ary hahinjitro ny tanako hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema; Dia haringako tsy ho eo amin'ity tany ity ny sisa amin'i Bala, Sy ny anaran'ny mpisorona amin'ny andriamani-tsi-izy mbamin'ny tena mpisorona,