Zephaniah 1:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary izay mivavaka any an- tampon-trano amin’izay eny amin’ny lanitra sy izay miankohoka sy mianiana fa an’NY TOMPO nefa koa mianiana amin’i Milkoma,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireo miankohoka eny ambonin’ny tafon-trano, eo anatrehan’ny tafiky ny lanitra; sy ireo miankohoka manao fianianana amin’i Iaveh, sady mianiana amin’ny mpanjakany;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hopotehiko izay miakatra an-tafon-trano mba hivavaka amin’ireo zavatra eny amin’ny lanitra, dia izay mivavaka sy mianiana amiko TOMPO nefa manao izany koa amin’i Milkôma.
Malagasy Bible 1865
Sy izay mivavaka any an-tampon-trano amin'izay eny amin'ny lanitra,Ary izay miankohoka sy mianiana ho an'i Jehovah Sady mianiana amin'i Malkama,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary izay mivavaka any an- tampon-trano* amin’izay eny amin’ny lanitra sy izay miankohoka sy mianiana fa an’NY TOMPO nefa koa mianiana amin’i Milkoma,
malagasy
Sy izay mivavaka any an-tampon-trano amin'izay eny amin'ny lanitra,Ary izay miankohoka sy mianiana ho an'i Jehovah Sady mianiana amin'i Malkama, [Na: ny mpanjakany]